Actualités

Hetsiky ny olom-pirenena amin’ny zoma “Tsy ekena ny famihinana fanampiana tokony ho an’ny vahoaka”


  • Alarobia 21 Aprily 2021

Marary ireo mpiasan-tenany rehetra , ny mpanao volo , ny mpivarotra anana , ny mpibata entana ,

 

 

 

ireo mpitarika posy , ny mpampianatra , ny saofera , ny mpanao asa tanana , ny mpivarotra fanaka sy ny sisa izay marihana fa mitady izay ho arapaka isan'andro, manan-janaka mitanatana vava sy mipitrapitra , mangovitra sy noana, zara raha mitafy kanefa tsy misy vahaolana manokana omen'ny fanjakana. Tahaka an’izay ihany koa ireo mararin’ny Covid 19 izay tokony hiantohan'ny fanjakana ny sakafo eny amin’ny hopitaly satria ankoatry ny fahasahiranana dia saika ialan'ny fianakaviana izy ireny noho ny tahotra sy ny tsy fahampiana mianjady. Samy miaro ny tenany izay tsy hifanomezan-tsiny . Ankoatry ny fanafody dia ny fasana no omen'ny fanjakana maimaim-poana ho azy ireo. Ireo rehetra ireo, raha ny fanazavana, no antom-pisian’ny hetsika hikiaka ho tontosaina ny zoma 23 aprily ho avy izao ho mariky ny tsy fanekena ny famihinana ireo fanampiana tokony ho an'ny vahoaka mitentina hatramin’ny 4.333 tapitrisa miliara izay tsy misy fiatraikany akory kanefa trosa ho efain'ny taranaka any aoriana, hoy ireo miantso ny olompirenena hanao ity hetsika ity.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT