Actualités

Hetsiky Ny Mpitondra Fivavahana “Natao ihany ny hangina, saingy …”


  • Alakamisy 14 Janoary 2021

Naneho hevitra eo anatrehan’ny zava-misy sy miseho eto amin’ny firenena

 

 

 

amin’izao fotoana izao ny ny Hetsiky Ny Mpitondra Fivavahana (HMF), izay tsy dia re firy tao anatin’ny fotoana lava sy naharitra. Natao ihany ny hangina satria tsy miseho ho hendry noho ireo tokony hiteny mialohan'ny tena saingy efa tena "loza mihatra" izy ity : Kapoakam-bary 800 ariary , ny very asa very asa, ny kere kere, misy mpitsoa-ponenana tsy fidiny, ny fanidiana vava sy varavarana miainga any indray, potika ny toekarena, tsy misy fanajana lalàna fa natao hamoretana ny madinika sy ny osa sisa izany, harem-pirenena mivoaka tsy hita maso, mpianatra mitaky ny zony ratraina,... Izay miteny ampitahorina fisamborana sy gadra. Azo hanoratana boky iray manontolo ny fahasahiranana fa dia izay izany. Mba mitenena ihany izay tokony hiteny fa sao ny vato tahaka anay no hiantsoantso. Fanairana ireo zoky manam-panahy an-dalàna, hoy ny HMF. Mikasika ny valanaretina kosa, dia aoka izay ny “confinement politique” fa tsy adala akory ny vahoaka . Tsy ny vahoaka no tsy nitandrina fa ianareo mpitondra no namory olona marobe nanerana an'i Madagasikara. Aoka ho tonga saina isika vahoaka, hoy ny fanehoan-kevitry ny HMF.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT