Teny tsy misorona no nataon’ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana na HMF nandritra ny vavaka ho an’ny firenena nokarakarainy tetsy amin’ny Gradin Sekoly Madera Anosivavaka, Ambohimanarina, ny antoandron’ny sabotsy 24 martsa 2012 teo.
Nandritra izany no nanaovan’ny HMF antso amin’ny vahoaka Malagasy rehetra hiray hina sy hiandany amin’ny fahamarinana fa ny toe-tsaina mihalangalana sy ny zatra milomano anaty fiarahamonina feno fahantrana sy tsy rariny dia mampidi-kizo ny firenena. Resy lahatra ny HMF fa ny zava-mitranga eto amin’ny firenena dia mbola fampiasana ny fitsarana ho fitaovana politika. Resy lahatra koa ny HMF ny tsy fandriampahalemana, ny korontana ara-tsosialy mitranga etsy sy eroa dia tena antso ho an’ny rehetra ho sahy hijoro sy mampijoro ary miaro ny fahamarinana. Tsy misy afa-tsy ny fijoroan’izay tia fahamarinana ihany no hanavotra ny firenena, hoy hatrany ny HMF, raha tsy izany dia hoviravirain’ny ratsy fanahy amin’ny fitiavan-tenany i Madagasikara ka mbola hitohy ny krizy.
Mialà am-panajana
Fa niantefa tany amin’ireo mpitondra ankehitriny koa ny tenin’izy ireo teo am-pamaranana ny fotoana, izay miendrika fanerena mihitsy. “Aza lalaovinareo ny hoavin’ny taranaka. Avelao ny mpitsara hanao ny asany am-pahamarinana. Avelao hiteny ny Vahoaka. Aoka ny miaramila ho mpiaro ny vahoaka tokoa. Sokafy ho an’ny rehetra ny haino amanjerim-panjakana fa efa nampanantena izany ianareo. Omeo fahafahana hivory sy haneho hevitra ankalalahana ny olona fa efa nambaranareo fa hatao izany, sokafy ny radio fahazavana sy ny Kianja ao Antsahamanitra … Raha tsy vonona hanao izany ianareo dia tena sitrapon’Andriamanitra ny miala am-panajana fa tsy lany olo-marina ity tany ity”.
Tonga maro teny Anosivavaka ny olona. Nanotrona ity fotoam-bavaka ity ny filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Hanitra Rakotomavo, ny lehiben’ny delegasionin’ny ankolafy Zafy, Miandrisoa Marcel, Me Olala, Lalatiana Ravololomanana. Niseho sehatra sady nitoriteny koa ny pastera Ranaivoniarivo Tiana, rehefa elaela tsy tazana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.