“Ohatra ny tsy maha te hanara-dalàna ny zava-misy atao aminay eo amin’ny fangatahana fahazoan-dalana hanao fanompoam-pivavahana eto amin’ny tanàna”, hoy ry zareo ao amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana teny Antsahamanitra tamin’ny sabotsy 26 febroary teo. “Tsy manome tsiny ny olona maneho hevitra amin’ny endrika mifanohitra amin’ny lalàna izahay”, hoy izy ireo. Noho izany dia mampilaza fa amin’ny 12 martsa indray ny hetsika manaraka”. 14 andro mialoha ny hetsika no efa nandefasana ny fangatahana nefa ny zoma 25 febroary maraina teo vao azo ny alalana ka tsy nahafahana nampandre olona maro.
Na izany aza anefa dia nahavory olona tokoa ity hetsika faharoa nataon’ny HMF tamin’ity 2011 ity io. «Raiso ny andraikitra fa aza miandry ny hafa. Ataovy izay hisian’ny fifamelana sy ny fihavavana marina mba hifaranan’ny krizy !», hoy ny hafatra tao Antsahamanitra. Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny HMF ka nilazany fa «tsy vahaolana ny fifidianana na ireo sori-dalana maro samihafa raha mbola mifankahala sy mifanao fo lentika ary mifandrafy ny olona. Izany no iantsoanay ny mpiray tanindrazana mba hanandratra mafy ny fivavaka mba ho izay tena vahaolana avy amin’Andriamantra tokoa no tanteraka eto ka mitsinjo ny tombontsoan’ny vahoakany tokoa».
Nanao antso amin’ireo manana andraikitra rehetra amin’ny fitadiavam-bahaolana ireo mpitondra fivavahana mivondrona ao amin’ny HMF mba handinika lalina fa “fanasitranana marina” no ilain’ny firenena dia fifamelana sy fihavanana aloha, samy mivavaka ho an’ny firenena. Nanamafy ny fahavononany handray andraikitra hatrany izy ireo amin’ny maha raiamandreny azy ary dia hiresaka amin’ny mpanelanelana iraisam-pirenena ihany koa. Raha mbola misy olona voageja sy miaina amin’ny tahotra sy horohoro eto dia «tsy hangina aho noho ny amin’i Ziona ary tsy hitsaha-miteny aho noho ny amin’i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinana tahaka ny fiposaky ny mazava» (Isaïa 62 :1), hoy ny fiakon’ny feo tao Antsahamanitra tamin’ny sabotsy teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.