Actualités

Hetsiky ny mpiasam-panjakana Hamono afo i Thierry Rakotonarivo


  • Alakamisy 05 Jolay 2012

Ho fitakiana ny fanatsarana ny fiainan’ny mpiasam-panjakana dia am-perinasa amin’izao fotoana ny komity mpanomana ilay fihaonambe hotontosaina amin’ny faran’ity volana jolay ity hiarahana amin’ireo antokon’asa miisa 250 isa ao anatin’ny asam-panjakana eto Madagasikara.

 Olona miisa 80 eo ho eo no ao anatin’izany, araka ny nambaran-dRakotonarivo Thierry, talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny Atitany. Ny tanjony dia ny tsy hisian’ny fitondrana mitanila intsony eo amin’ny samy mpiasam-panjakana. Hatreto mantsy dia miankina amin’ny mpitondra hatrany ny fijerena ny mpiasam-panjakana isan-tsokajiny. Na mitovy aza ny diplaoma dia tsy mitovy ny mari-karama raisina sy ny karama fanampiny. Aorian’io fihaonambe io dia handroso soso-kevitra hoenti-manatsara ny asam-panjakana amin’ny fitondram-panjakana izy ireo ary hanao ny fitakiana.

Raha tsy mbola misy moa ny vahaolana, hoy ihany ity tomponandraikitra ity dia hisy ny fampitandremana izay mety hiafara amin’ny fitokonana mihitsy raha toa ka ilaina izany. Mampiavaka ireto mpiasam-panjakana ireto moa raha oharina amin’ny hafa, araka ny nambaran’ity tompon’andraikitra ity ihany, ny fanaovana ny hetsika tsy tafiditra anaty resaka politika. Eo koa ny fanaovana ny fitokonana aorian’ny fanaovana an-tsoratra ny fitakiana izay tsy misy valiny.

Mikasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana indray dia nanambara ity tompon’andraikitra ity fa tsy tokony ho ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina irery no hihaona fa ilaina ny fandraisan’ny hery velona rehetra anjara. Mihevitra ny mpanara-baovao fa famonoan’afo ny hetsika ataon’ny «Cellule de crise interministérielle des Agents de l’Etat” ity karakarain’ny Talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny Atitany ity. Be no tsy resy lahatra amin’io fihaonambe karakarainy io.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT