Actualités

Hetsiky ny mpanohana ny FFKM Hahemotra ho amin’ny sabotsy 10 aogositra indray


  • Alarobia 31 Jolay 2013

Noho ny namoizany tampoka ny rain’i Alain Andriamiseza, mpitarika ny MMFF (Malagasy Manohana ny Fehinkevitra nivoaka tamin’ny Fivorian’ny FFKM) dia nahemotra ho amin’ny sabotsy 10 aogositra indray ilay hetsika saika notanterahin’izy ireo tetsy Antsahamanitra ny sabotsy 27 jolay, mikasika ny fanarenana ifotony ny fiainam-pirenena izay hiarahany amin’ny vahoaka.

 

Araka ny fanazavan’i Alain Andriamiseza dia efa notazoniny ho azy ireo ihany Antsahamanitra amin’io sabotsy 10 aogositra io satria ny vahoaka no tena mitaky ny hanaovana izany. Nambarany ihany koa fa hitohy isaky ny andro sabotsy ny hetsika ka rehefa tena tsy antonona intsony Antsahamanitra dia hangataka toeran-kafa izy ireo. Avy amin’ny alalan’io hetsika io ihany koa no hijeren’izy ireo na misy mpihaino izy ireo na tsia, hoy ihany i Alain Andriamiseza na manaraka koa ny vahoaka na tsia. Ny azo antoka anefa, hoy ihany izy dia efa reraka ny vahoaka, mila filaminana ary vonona ny hanova ny zavatra sy hiady ho an’ny tanindrazana matoa niantso azy. Manentana ny vahoaka ny MMFF, araka izany, mba samy handray ny andraikiny amin’izay ary tsy hanaiky lembenana intsony amin’ny fanaovana ramatahora ireo vonona ny hijoro ho an’ny firenena. Efa tsy rariny intsony, hoy ny mpikambana ao amin’ny MMFF ny famafazana lainga ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana miampy fampanantenana poak’aty etsy sy eroa ka mila mihetsika amin’izay.

Pati       

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT