Hitohy ao amin’ny kianja mitafo Mahamasina anio ny hetsika tarihin’ny AFO sendikaly, manoloana ny ady amin’ny kolikoly ataon’ny mpitondra
. Nataon’ny sendika vaky bantsilana nandritra ny fankalazana ny Fetin’ny asa ny 1 mey teny amin’ny Kianjan’Alarobia io, narahina fitoriana any amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly. Manao be marenina ny mpitondra, tsy misy fivoarany ihany koa ny fitoriana nataon’izy ireo, ka dia miditra amin’ny dingana manaraka ny hetsika. Miantso ny hery velona rehetra, Raiamandreny, ny mpitondra fivavahana, ny fivondronamben’ny Eveka, ny olompirenena ny AFO sendikaly hiray feo amin’izy ireo, hamaky bantsilana ny kolikoly ataon’ny mpitondra, izay mampahory sy mampahantra ny Malagasy ary mamotika ny firenena ary hitaky ny fanagadrana ireo mpitondra manao kolikoly. Hifanojo indrindra amin’ny fahatongavan’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban Ki-moon eto Madagasikara izao hetsiky ny olom-pirenena izao, araka ny fanazavan-dRatolojanahary Maharavo na i Doudou, mpitondrateny ny AFO sendikaly.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.