Actualités

Hetsika Magro Behoririka Natao mialoha ny fiarahabana ny fetin’ny Reny


  • Alatsinainy 30 Mey 2011

Nisy ihany ny fihaonana tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny sabotsy 28 mey teo na teo aza ny fandaminana samihafa voalazan’ireo mpitari-tolona.

Nanamarika an’io fihaonana io ny fiarahabana ny vehivavy noho ny fetin’ny reny. Ankoatra izay dia nisaotra ny vehivavy tamin’ny tolona tsy niato nataony nanomboka tamin’ny 2009 i Sandros avy any Mananjary. Ny vehivavy MFM manokana tetsy andaniny dia «niarahaba an’i Lalao Ravalomanana izay vadin’ny Filoham-pirenena voafidim-bahoaka», hoy Rasoaniaina Malalatiana, izay nanamafy fa miroso ny tolona ary tsy mifarana raha tsy tanteraka ilay tetezamita tena izy.

Ny solontenan’i Toliara, Sazalahy Tsianihy kosa no nanamarika fa efa manerana ny Nosy ny rodobe ary nivory teto Antananarivo ny faritra ka nanapaka fa manolotra ho Prezida an-dRavalomanana Marc amin’ny fifidianana. Ka na baomba na inona dia miandry an’i Dada izahay, ary mila mivoaka koa ny gadra politika, hoy i Martin nanamafy izay voalazany. Voamarika tamin’ny sabotsy fa ny alatsinainy, alarobia ary sabotsy no misy ny hetsika Magro fa ny andro hafa dia Rodobe

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT