Actualités

Hetsika Harenantsika ireo nosy ireo “Tsy azo atao ny mangina”


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Sokajiana ao anatin’ny firenena 7 manan-karena indrindra amin’ny resaka harena

 

voajanahary ity nosy ity, hoy ny hetsika Harenantsika ireo nosy ireo, tetsy amin’ny Motel Anosy. Moa ve anefa manako any anaty vilanin’ny Malagasy izany rehefa trandrahana? Ny fahatsapanay raha atao jery todika ny 60 taona nanomezana fahaleovantena dia tsy fahitan’ny vahoaka Malagasy izany no antony hijoroanay ankehitriny. Miakatra isan’andro ny vary nefa mbola tsy tonga akory ny fahavaratra. Miverimberina anaty fikaonan-doha rehetra atao ny hoe latsaka an-katerena sy tandindonin-doza ny firenena. Ny mpitandro filaminana kosa rehefa misambotra manao hetsika an-dalam-be dia hoe manohitohina ny fiandrianam-panjakana no antony. Ny tena zava-misy anefa dia fanohitohinana ny fiandrianam-pirenena. Ny firenena mihitsy no tsy mari-toerana intsony noho ilay endrim-pitantanana tsy mifanaraka amin’ny filam-bahoaka. Nolazaina foana fa ny fifidianana no hamaha krizy saingy tsy mila apetraka intsony ny fanontaniana ankehitriny hoe nahatafavoaka tokoa ve sa tsia? Miitatra ny fery. Miala krizy dia miditra krizy, hany ka tsy te hivorivory intsony ny olona. Nandiso fanantenana izay rehetra nampanantena. Mino anefa izahay fa mbola misy olona tsy kivy sy tia tanindrazana eto satria vao miha loza ny hoavy raha tsy mitsangana izy. Hoy izahay hoe ny tombotsoan’ny Malagasy aloha no mila apetraka mialoha. Akaiky ny 12 desambra izay nilazan’ny frantsay tamin’ny fomba bontolo fa azy ny nosy Malagasy. Efa sangy mihoatra ny loha raha anaty lapan’ny tananan’Antananarivo no misy masoivoho frantsay manamafy izany. Tsy azo atao ny mangina manoloana izany, hoy hatrany izy ireo. Hisy moa ny hetsika ho tanterahan’izy ireo manoloana izany ny 28 novambra izao, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT