Actualités

Hetra alaina amin’ny sekoly tsy miankina 90.000 Ariary lasa 3 tapitrisa Ariary


  • Talata 29 Novambra 2022

Nanao antsoavo amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra sy ny mpanolontsain’ny tanana mikasika ny hetra takiana amin’ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana omaly ireo mpanabe ao anatin’izany.

Mitaraina izahay, hoy izy ireo. 90.000 Ariary ny hetran-trano sy tany nalohan’ny sekoly iray tamin’ny taon-dasa. 3 tapitrisa Ariary latsaka kely fotsiny nefa izany izao, raha ny fampilazana voaray tamin’ity herinandro ity. Araka ny lalana anefa dia tsy tokony handoa hetra ny seha-panabeazana. Tsy malaina andoa hetra akory izahay fa tsy zaka ilay izy. Ny tena mampalahelo dia takiana hetra ny vahoaka nefa tsy misy tamberin’Andraikitra fa jerena ny fako mivangongo, ny lalana feno lavadavaka. Hamenoana ny paosin’ny mpiasan’ny kaominina ve ny hetra sa hamerenana ny vola nindramin’ny kaominina tany aloha tany? Sao lahy ho feno ny kapoaka ka hisy fipoahana sosialy mikasika ity hetra ity? Mangataka izahay dieny izao, ivereno dinihina io! Misy sekoly namana mitaraina fa tafakatra hatrany amin’ny 21 tapitrisa Ariary ny hetran-trano alainareo kanefa efitrano miisa 13. Mbola tsy afaka handoa an’io aloha izahay satria tsy manana fahefana amin’izany, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT