Nanamafy ny minisitry fitantanam-bola sy ny tetibola, Hery Rajaonarimampianina fa mbola tsy niverina hatramin’izao ny fanampiana avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra raha ny lafiny ara-toekarena sy momba ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny fanjakana no resahana.
Nofoanan’ireo mpamatsy vola nanomboka tamin’ny tetibola 2010 ilay antsoina hoe «aide budgétaire» na «appui budgétaire» izay ilain’ny fanjakana amin’ny fampirindrana ny tetibola isan-taona. Ny Vondrona Eoropeanina moa no tena mpamatsy vola voalohany antsika momba io «aide budgétaire» io noho izy ireo miara-miasa amin’i Madagasikara momba ilay tetikasa fanjakana tsara tantana. Raha araka ny fanazavan’ny minisitra ihany dia aorian’ny fisian’ny fifanarahana matotra eo amin’ireo mpanao politika dia azo antoka ny hiverenan’ny fanampiana, izany hoe raha misy ny vahaolana eken’ny ankolafy rehetra any Gaborone ka mitsangana ilay tetezamita iaraha-mitantana dia azo eritreretina ny hiverenan’io fanampiana ara-bola io. Tsy dia tena mbola hita taratra mivantana aloha ny voka-dratsin’ity fiatoan’ny fanampiana avy any ivelany momba ny hoe «aide budgétaire» ity, fa raha toa ka mbola mitatra ny krizy ka tsy hahazo an’io indray isika amin’ny taona ho avy dia ho ratsy amin’izay ny fandehan’ny raharaha, hoy ny mpahay toekarena iray satria tsy maintsy hanomboka hikorontana ny fitantanam-bolam-panjakana satria sady tsy mahazo fanampiana avy any ivelany isika, no tsy araka ny tokony ho izy ny hetra miditra no maro be ny vola mivoaka isan’andro amin’ny fampandehanan-draharaha.
Efa vita tamin’ny desambra 2010 moa ny fandaniana ny tetibola amin’ity taona 2011 ity saingy raha milamina ny zava-drehetra ka tonga ny fanampiana dia afaka manao fivoriana tsy ara-potoana ka mandany ny fanitsiana izany tetibola izany ny Parlemanta. Nilaza koa anefa ny minisitry ny tetibola Hery Rajaonarimampianina fa misy ihany ireo famatsiam-bola avy any ivelany tahaka ny nomen’ny Frantsay, ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana ho an’ireo tetikasa momba ny lafiny sosialy sy ny fiahiana ny maha olona. Nisy ihany koa ny famatsiam-bola azo ho amin’ny fanamboaran-dalana ka nahafahana nanohy ny asa any amin’ny lalam-pirenena faha-35 araka ny fanazavany ihany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.