Actualités

Herisetra sy fanimbana fananan’olona Polisy iray tazonina sy hadihadiana etsy Analamahitsy


  • Alarobia 09 Jona 2021

Notazonina ao amin'ny kaomisaria ary nanokafana fanadihadiana ny polisy iray nanao herisetra tetsy Analamahitsy,

 

 araka ny tatitra nataon’ny Polisim-pirenena omaly. Nanimba fananan'olona an’ny mpivarotra iray tetsy Analamahitsy izy io, ka nidina nijery izany ny Polisy teny an-toerana ary nandray ny andraikiny avy hatrany, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Notazonina ao amin'ny Kaomisaria Analamahitsy ilay Polisy voalaza fa nanimba fananan'olona ary nanokafana fanadihadiana ity farany. Ny entana nosimbainy kosa dia noraisin'ny Polisim-pirenena ny fanoloana azy. Natao hanampy ny vahoaka ary hiaro azy sy ny fananany ny polisy, koa raha misy amin’izy ireo manao fihetsika mifanohitra amin'izany ka tsy manaja ny fitsipika sy ny lalàna mifehy azy sy ny asany dia misy ny sazy mifanaraka amin'izany, hoy ny fanamafisana. Manamafy hatrany ny Polisimpirenena fa tsy maintsy handraisana fepetra ny trangan-javatra toa izao, ary vonona hiara-hiasa sy hifanome tanana amin'ny vahoaka hatrany, araka ny fampitam-baovaony.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT