Actualités

Herisetra ara-pananahana Kilemaina nifandimbiasan’ny mpamily efatra


  • Alakamisy 28 Jolay 2011

Tovovavy kilemaina, 21 taona, no tratry ny herisetra ara-pananahana teny Ivandry ny 11 jolay teo.

 Tratra hariva teny ity tovovavy ity tamin’io fotona io raha avy nianatra ka handeha hamonjy ny rainy. Nisy nanendaka ny findainy ka nanatona tovovavy iray hafa izy 14 taona nanontany izay misy paositry ny polisy hanaovany fitarainana. Nisy nampiantrano izy roavavy ireto taorian’izay ka io lehilahy io no niantso lehilahy telo namany hanolana ilay kilemaina. Ilay tovovavy 14 taona kosa dia nilaza fa tonga fadimbolana ka avy hatrany noroahin’izy ireo handeha. Nametraka fitoriana teny amin’ny Fampanoavana ilay kilemaina ka nisokatra ny fanadihadiana nataon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Anosy. Tamin’ny famotorana azy roavavy no nahafahana nisambotra ireo efa-dahy satria tsaroan’izy ireo ny endrik’ireo lehilahy ireo. Ny telo tamin’ireo dia mpamily fiarakaretsaka ary mpamily mpanampy kosa ny faha-4. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy efadahy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika avokoa.

 

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT