Actualités

Herisetra ara-nofo Ny 44% n’ny ankizy mampiasa internet no efa lasibatra


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2021

Anisan’ny lalana iray tsy azo hiodivirana intsony ankehitriny ny fampiasana ny teknolojia avo lenta ka anisan’ireny ny fikirakirana solosaina sy ny internet.

 Ankoatra ireo olon-dehibe dia marobe tsy tambo isaina ihany koa ireo ankizy efa mampiasa izany toy ny fananana kaonty manokana ao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook. Ny 44%-n’ireo ankizy mampiasa azy ireny araka izany no fantatra fa efa lasibatry ny herisetra ara-nofo raha mitotaly 75% izy ireo. Ny 2% amin’ireo 44 % ireo no fantatra fa efa nanao horonan-tsary mamoafady. Saika miafina ao ambadik’ireo sarina tovolahy na tovovavy kely tsara tarehy ny ankamaroan’ireo olona manadala azy ireny. Tsy mijanona eo amin’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera facebook fotsiny anefa izany fa ny 31% n-ireo ankizy nanaovan’ny Ecpat France fanadihadiana ihany koa no fantatra fa efa nanaiky nihaona tamin’ireo olona nanadala azy. Miisa 1500 izy ireo no nanaovana fanadihadiana avy amin’ny renivohi-paritany 6. Ny 15%-n’ireo ankizy ireo moa no fantatra fa efa nahazo fandrahonana mivantana fa haparitak’ireo tsy mataho-tody amin’ny tambajon-tserasera facebook ny sariny miboridana raha vantany vao tsy manaiky ny hiaraka aminy. Maika araka izany ny fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra ara-pananahana eto amintsika ka tokony hanaovan’ny Fitondram-panjakana ezaka goavana.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT