38% -n’ny vehivavy eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 49 taona no iharan’ny
herisetra ara-batana sy ara-pananahana. 41% -n’ny vehivavy manana olon-tiana na vady na an-dalam-pisarahana no misedra herisetra ara-pihetseham-po sy ara-batana avy amin’ny olona miaraka aminy na niaraka taminy taloha. Izay vao maika nampirongatra ny herisetra ny valan’aretina Covid-19. Fotoana hivoahana amin’ny fahanginana izao hoy ny mpandrindran’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, andriamatoa Issa Sanogo tao anatin’ny lahan-teniny. Anisan’ny firenena izay ahitana herisetra mifototra amin’ny mahavavy na mahalahy mazava Madagasikara hoy izy. Tetsy amin’ny Parvis an’ny Lapan’ny Tanàna Analakely no nanatanterahana ny lanonam-panokafana ny 16 andro hiadiana amin’ny herisetra hatao amin’ny vehivavy sy ny tanora omaly. Nisy trano eva nampirantian’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiantsehatra ao anatin’ny ady amin’ny herisetra ny sahan’asany mba hahafahana maka torohevitra sy torolalana eny an-toerana. Misy fiara natokana hanaovana fizahana ara-pahasalamana izay maimaimpoana koa eny an-toerana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.