Ho feno herintaona katroka amin’ny 26 martsa ho avy izao no nitsanganan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, izay manana ny foibeny eny Alarobia.
Taorian’ireo dinika tany ivelany nandraisan’ny ankolafy efatra anjara no nahatonga ny FAT hanangana io rafitra io, rehefa tsy nety tafapetraka mihitsy ny governemantan’ny firaisam-pirenena. Efa hatramin’ny faran’ny taona 2009 tokoa mantsy no nikasa hanatanteraka fifidianana ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina saingy maro ihany no tsy resy lahatra sy tsy natoky ny rafitra nisy tamin’izany fotoana koa dia nihazakazahana ny nananganana ny CENI. Fitsapan-kevi-bahoaka iray, izay natao tamin’ny 17 novambra 2010 aloha hatramin’izao no tena nataon’ny CENI. Maro be ny tandrevaka sy ny tsy fahatomombanana tamin’io ary samy niaiky izany ny rehetra, toy ny KMF/CNOE anisan’ireo nanara-maso ny fifidianana. Tao anatin’izay herintaona izay ihany koa dia tsy mbola nandefa solontena ao anatin’io vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana io ny mpanohitra na dia manana anjara toerana telo ao aza. Araka ny filazan’ny filohany, ny Me Hery Rakotomanana, moa dia lafiny teknika madiodio amin’ny fikarakarana sy fanatanterahana ny fifidianana no iandraiketan’ny CENI fa tsy miditra amin’ny resaka politika mihitsy izy ireo.
Miverina indray tato ho ato izay ny resaka fifidianana, ary nanamafy i James Ramarosaona mpikambana ao amin’ny CENI, raha nivahiny tamina onjam-peo tsy miankina iray teto an-drenivohitra omaly, fa am-perinasa tanteraka izy ireo amin’ny fiatrehana izay fifidianana rehetra mety ho avy eo, na dia tsy araka ny tokony ho izy aza ny vola eo am-pelatanana, ary tsy ampy ihany koa ny fitaovana ampiasaina, indrindra fa eny anivon’ny distrika sy ny Kaominina. Efa nanomboka ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana araka ny voatondron’ny lalàna ihany koa ny CENI, ny 1 desambra ka hatramin’ny 15 aprily moa no fanaovana izany. Koa araka ny fanazavan’i James Ramarosaona ihany dia efa nisy ny fanaovana tomban’ezaka sahady ny asa ny 31 janoary lasa teo, ka tamin’izany no nahafantarana fa ditrika 60 amin’ny 119 no efa nahavita tanteraka io fanavaozana ny lisi-pifidianana io manerana ny nosy. Tsikaritra araka ny fanazavany ihany fa nitombo ny isan’ny mpifidy nisoratra anarana raha ampitahaina ny tamin’ny herintaona.
Mbola hitohy io asa io ary tsy maintsy vita ny distrika rehetra mialoha ny 15 aprily araka ny teniny ihany. Fa anisan’ny ezaka goavana ataon’ny CENI ihany koa ny fametrahana ireo «agents électoraux» saingy tena mila tetibola matanjaka ny fanatanterahana izany, araka ny fantatra ihany satria tsy maintsy misy ny fanofanana atao. Etsy ankilan’izay dia milaza ny ho hentitra amin’ny fandraisana fepetra ny CENI mikasika ireo mpiasany any amin’ny faritra izay tsy manaraka ny toromarika na tsy mahavita ny asa nampanaovina azy, koa soloina avy hatrany izy ireny, hoy i James Ramarosaona raha voaporofo ny fahavotsany amin’ny asa ataony. Fa mbola nanamafy ihany koa ity mpikambana ao amin’ny birao nasionalin’ny CENI ity fa nijanona ho fijerena sy fanadihadiana ny zava-misy fotsiny aloha hatreto no nataon’ireo fikambanana iraisam-pirenena tahaka ny ONU sy ny OIF, fa tsy mbola nisy valin-teny ofisialy an-taratasy nilaza fa tena hanampy ara-bola na ara-teknika tokoa izy ireo amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana mety ho atao amin’ity taona ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.