Actualités

Herintaona aty aoriana Aiza ho aiza ilay faminanian’i Johana ?


  • Alatsinainy 08 Martsa 2021

Tany amin’ny volana aprily 2020 no nivoahan’ilay horonantsary namboamboarina,

 

 

 miresaka faminaniana sy nilazana ny fisiana vehivavy mpaminany antsoina hoe Johana, teratany Breziliana tonga teto Madagasikara. Noforonina sy nezahina nentina nampifandraisina tamin’ny fitsaboana ny valanaretina coronavirus tamin’izany, ka nilazana fa avy eto Madagasikara no hiaingan’ny fanavotana izao tontolo izao. Ny mpitondra Fanjakana no nanao ny serasera momba io horonan-tsary toa noforomporonina sy karazana faminaniana sandoka nisintonana ny sain’ny Malagasy io. Herintaona latsaka aty aoriana isika izao. Samy afaka manontany tena hoe: tena marina sy nitombina ve sa finiavana hilalao saim-bahoaka fotsiny? Tsy manamaivana ny tambavy nambara fa sady mahasitrana no misoroka, fa mby aiza moa izany izao? Tsy fantatra intsony izay tohin’ny famokarana ilay ambara fa fanafody “CVO+”, izay efa nny 02 oktobra ny nanokanana ny ozinina. Asa firenena iza sy iza avy no efa nanafatra izany? Firy no efa lafo teto an-toerana? Tena miainga avy eto Madagasikara tokoa ve ny fanavotana izao tontolo izao? Marina fa efa tantara nivalona ny resaka faminanian’i Johana, saingy tao ahafahana manatsoaka lesona fa tia milalao saim-bahoaka, tia mamoron-javatra tonga hatrany amina resaka faminaniana sandoka, milalao ny resaka finoana ny mpitondra mba hoenti-maneho fa mety sy mahomby ny zavatra ataony.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT