Actualités

Herinaratra vokarin’ny Jirama Tsy ampy ho an’Antananarivo intsony


  • Zoma 27 Mey 2016

Ny tsy fahampian’ny herinaratra zaraina isan-tokantrano no mahatonga ny delestazy matetika eto Antananarivo Renivohitra sy ny faritra sasany manodidina azy tahaka an’Ivato, Itaosy,

 

 Ampitatafika, Tanjombato, Andoharanofotsy, hoy ny fanazavana voaray avy eny amin’ny Jirama. Miakatra ambony be ny filana sy fanjifana herinaratra amin’ny hariva, izany hoe manomboka amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 10 ora alina, hoy ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny Jirama Feno Randrianarison, hany ka mipika ho azy ireo Transformateur amina faritra maromaro. Efa nandray fepetra ny Jirama hanolo ireo Transformateur tsy mahazaka ireo intsony, hoy hatrany ny fanazavana ka efa nanaovana izany ny teny Namontana, Antsalovana, Ankasina, Anosizato Atsinanana ary Ambolokandrina. Mbola hiitatra any amina faritra hafa eto Antananarivo izany ka ny tanjona dia ny tsy hisian’ny fahatapatapahana na delestazy intsony, hoy hatrany ny tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny Jirama. Dia miandry indray ny rehetra amin’ity fanoloana Transformateur ambaran’ny Jirama fa vahaolana amin’ny delestazy ity. Ny azo antoka aloha dia tsy ampy ho an’Antananarivo intsony ny herinaratra omen’ny Jirama amin’izao fotoana.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT