Actualités

Herinaratra azo avy amin’ny masoandro Niampy 20mw ny vokatra ao Ambatolampy


  • Alakamisy 14 Jolay 2022

Nidina ifotony tany Ambatolampy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa JIRAMA omaly nitsidika ireo foto-drafitrasa fanitarana ny toby famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro any an-toerana.

Raha toa ka 20MW ny vokatra teo aloha dia nitombo avo roa heny izany amin’izao fotoana izao (40MW). « Isan’ny teknolojia hiaka farany avokoa no hampiasaina eto amin’ity toby famokarana ity, na ireo panneaux solaires vaovao izany na ny vata fitahiry haratra (batterie) miaraka aminy. Reharehan’ny Malagasy izao fanitarana vaovao izao satria ity toby famokarana herinaratra vita amin’ny masoandro ity no isan’ny lehibe indrindra aty amin’ny faritra Afrika Austral sy aty amin’ny Oseanina Indianina, ary mampiasa ny teknolojia fampiasa any amin’ny tany mandroso rehetra », hoy ny Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny JIRAMA, Solo Andriamanampisoa. Raha ny fanazavan’ny Tompon’andraikitry ny tetikasa eo anivon’ny Green Yellow, Sitraka Raharimanatiana Ranaivo kosa indray dia amin’ny velaran-tany 55ha no misy ity tetik’asa ity. 110.000 mahery ny takela-masoandro mipetaka amin’ity toerana ity amin’izao izy vita fanitarana izao. Valo volana no faharetan’ny nanitarana ity tetikasa ity mba hanome 20MW fanampiny ary efa ao anatin’ny andrana tanteraka ireo teknisianina amin’izao fotoana izao. Efa mirotsaka amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo ny vokatra rehetra azo amin’ity toeram-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro ity. Efa maro ny tetikasa tahaka izao manerana ny faritra maro eto Madagasikara , raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny orinasa JIRAMA. « Hita izao fa azo atao tsara ny mampiasa vatoharatra marobe anaty kaontenera hitahirizana ny vokatra herinaratra. Azo atao ny mametraka izany any amin’ny toerana misy fahatapahana matetika satria raha toa ka afaka mamatsy ny herinaratra tehiriziny mandritra ny ora iray ny vatabe fitahiry haratra tahaka izao dia tsy miaina fahatapahan-jiro ny mpanjifa », hoy ihany ny Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny JIRAMA.
Pati
Legende : Omaly nandritra ny fitsidihana natao tany Ambatolampy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT