Anio alatsinainy 12 hatramin’ny 15 septambra izao no hankalazana ny hetsika herinandron’ny Demokrasia eto amintsika hokarakarain’ny “Jeunes et partenaraires des Média”.
Tompomarika voalohany moa amin’ny mahatafiditra ity hetsika ity ao anatin’ny fanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny demokrasia ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana (PNUD). Anisan’ny tanjona lehibe amin’ity hetsika ity ny fampiroboroboana ny fanabeazana mikasika ny demokrasia marina sy ny fanentanana ireo tanora eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 35 taona mikasika izany. Ao anatin’ny fandaharam-potoana ny adihevitra hanasana ireo ivontoeram-pampianarana ambony eto Madagasikara ka hatao etsy amin’ny UCM Ambatoroka. Eo koa ny fampisehoana rindran-kira maimaimpoana iarahana amin’ny tarika Piarakandro, Dobodoboka Madagasikara … Dia hiavaka koa ny fifaninanana Slam mikasika ny demokrasia.
Fa tsy ho diso anjara ny fampirantiana etsy amin’ny MDLC Anosy mikasika io lohahevitra io ihany, izay mamaly ny fanontaniana mikasika ny fahamaroan’ny fitsanganan’ny antoko politika eto Madagasikara. Fanamby lehibe ho an’ny tanora ity hetsika iray ity, izay nomarihan’ny mpikarakara fa nanolo-tena an-tsitrapo avokoa amin’ny fandraisany anjara. Ny fanontaniana mitoetra dia ny hoe : maninona no tsy mba ampiasaina amin’itony hetsika itony ilay Kianjan’ny demokrasia (demagôjia) notokanan’ny mpitondra FAT makotrokotroka tamin’ny taona 2009 ?
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.