Nosokafana tamin’ny Fomba ofisialy teny amin’ny Fitsarana an-tampony eny
Anosy ny taom-pitsarana 2021. Hafatra nentin’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Tampony Atoa Andriantianarivelo Réné José ho an’ny mpitsara ny mba hitsarana araka ny rariny sy ny hitsiny, lavitry ny kolikoly, hafainganina ny fampandehanana ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-pitsarana mba ho olona izay mendrika no ho any am-ponja ihany no ho any. Tokony ho vitsy an’isa, hoy izy, ireo miandry fitsarana raha oharina amin’ireo efa voatsara, ary hasehontsika ho hita maso tokoa ny maha mendrika ny fitondrantenantsika na ao anatin’ny sehatry ny asa izany na ny ivelany. Nohamafisiny ihany koa ny fanajana ny zon’ny hafa. Tanjona ao anatin’izany rehetra izany ny hanomezana fahafaham-po ny olona manan-draharaha eny anivon’ny fitsarana, ka hiverina sy ho mafy orina ny fitokisan’ny olona ny Fitsarana, hoy io Tonia mpampanoa lalàna ambony io. Nilaza kosa ny Filohan'ny Fitsarana voalohany ao amin'ny fitsarana tampony, fa hihamafy ny fanaraha-maso ny volam-panjakana amin’ity taona ity, ary hatsangana ny fitsarana fandravana eo anivon’ny Filankevi-panjakana. Eo amin’ny Fitsarana Tampony no heverina hanaovana fanadihadiana mikasika ny fizotry ny asam-panjakana amin’ny lafiny rehetra. Hitombo ny fanaraha-maso ataon’ny fitsarana misahana ny kaonty (cours des comptes) hitiliana ny fikirakirana ny rafi-pahalalahana. Ezahina ny hamaranana ny kaotim-bolam-panjakana. Mba ahafahan’ny filankevi-panjakana manao izany asa izany, anefa dia tsara raha sarahana ny asany amin’ny maha fandravana aza. Angatahan’izy ireo noho izany ny fananganana ny fitsarana fampiakarana manokana ho an’ny filankevi-panjakana, misaraka amin’ny fitsarana fandravana didy (cours de cassation) eo anivon’io rafi-pitsarana io. Nanatrika ny lanonana ny olom-panjakana samihafa, nahitana ireo filohana andrim-panjakana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.