Nivoaka tamin’ny fahanginany ny tale jeneralin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety Rakotondrazaka Andriantsarafara manoloana ny mety ho fiakaran’ny saran-dalana eto an-drenivohitra ho 500 Ar, manomboka ny talata 26 jolay ho avy izao.
Nambarany fa mbola mandeha amin’izao ny fanampiana ireo mpitatitra avy amin’ny fanjakana na subvention ho fanentsenana ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Ny volana septambra, oktobra ary novambra taona 2015 no mandeha ankehitriny izay tsy hijanona hatreo satria efa ho avy ihany koa ny tetibola mitentina 5 miliara Ar omen’ny fanjakana ny kaoperativa ho fiarovana ny zon’ny mpanjifa amin’ny mety ho fiakaran’ny saran-dalana. Notsindriany fa manan-jo hampiakatra saran-dalana ny kaoperativa tsirairay avy araka ny voasoratra ao amin’ny artikla fahasivy amin’ny lalana 2004 053 natao ny 28 janoary taona 2005. Mitaky fepetra maro anefa ny fanatanterahana azy io toy, ny kalitaon’ny tolotra omena ny mpanjifa, ny kalitaon’ny fiara, ny fanajana mpandeha…Raha toa moa ka mbola miziriziry amin’izay fampiakarana ny saran-dalana izay ny mpitatitra dia nambarany fa tsy hipetra-potsiny ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny fa hanara-maso ny kalitaon’ny asan’izy ireny sy ny fiara hampiasainy mba hifanaraka tanteraka amin’ny vola aloan’ny mpanjifa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.