Actualités

Hentitra ireo mpikaroka sy mpiasa “Tsy omena ny Karana izany i Tsimbazaza”


  • Alakamisy 18 Novambra 2021

Hisy ny fifanarahana eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Vondron’orinasa Axian amin’ny hitantantan’io vondron’orinasa an’ilay teratany karana mpanefoefo Hassanein Hiridjee ny valanjavaboaharin’ny Tsimbazaza ao

 anatin’ny 30 taona. Manoloana io, nitroatra avy hatrany ireo mpikaroka mpampianatra mivondrona ao anatin’ny « Collège des Chercheurs-Enseignants du Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza » omaly. Nampahatsiahy fa ny sahan’i Tsimbazaza dia Ivontoeram-pikarohana araka ny didim-panjakana 93-162 tamin’ny 118 septambra 1993, izay miantoka fiandrianam-pirenena. Nanambara izy ireo, fa arovana ao amin’io toerana io ny soatoavina ara-tsiansa, ara-tantara, ara-kolontsaina, ary vakoka isan-karazany. Toerana ihany koa ahafahana miala sasatra sy manabe ireo mpampianatra sy mpikaroka avy eto an-toerana sy maneran-tany. Ny Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza (PBZT) izao no voakasika fa mety ho voakasika ihany koa ireo « Centres» hafa aoriana satria ny PBZT no niandohan’ny “centres” rehetra, hoy ny fanambarana. Noho izany, nilaza ireo mpikaroka mpampianatra sy ireo sampan-draharaha misy ny mpiasa rehetra ao amin’ny PBZT, fa manohitra marin-drano ny fikasana hanome ny fitantanana io valanjavaboahary io ho an’ny mpandraharaha vahiny Groupe Axian mandritra ny 30 taona amin’ny alalan’ny dingana ambaran’izy ireo “’nty sy ‘nday” na “procédure de gré à gré”. Raisinay ho endrika fivarotan-tanindrazana izany fikasana izany, koa dia miantso ny mpikaroka-mpampianatra sy mpampianatra-mpikaroka, miantso ny mpiray tanindrazana mba hanohitra izany, hoy ny fanambarana tetsy Tsimbazaza omaly. Milaza hanao hetsika goavana ireo mpiasa sy mpikaroka anio alakamisy.
TSY AMPY FANGARAHARAHANA
Ekena fa mety nisy ny lesoka toy ny kiana nandeha fa ratsy karakara ny biby, saingy tsy azo adika velively fa rariny sy tena mety ny hanomezana ny fitantanana ny valanjavaboahary ho an’ny Vondron’orinasa karana. Tena tsy vitan’ny Fanjakana Malagasy ve ny manarina ny lesoka sy mitantana azy? Raha tsy maintsy homena ny tsy miankina amin’ny alalan’ny « privatisation », tsy misy orinasa sy mpandraharaha Malagasy mahavita izany ve ? Inona no mason-tsivana nisafidianana Axian ary mba nisy antso tolo-bidy ve? Manao ahoana ny endriky ny fifanarahana sy fitantanana ary iza no nanao azy? Tena goavana izany fifanarahana 30 taona izany, fa raha ao anatin’ny 5 taona mety tsy dia mahataitra. Lojika ny olona raha tonga dia mitsara avy hatrany hoe: fivarotan-tanindrazana satria tsy misy mangarahara, ahiana ny resaka kiantranoantrano na fanomezana vahana ara-tombotsoa, raha tsy hilaza fotsiny fa ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika, ohatra, dia efa niasa teo anivon’ny Vondrona Axian. Fifanarahana 30 taona izany ve tsy tokony handalo dingana maro toy ny fandihihana sy fankatoavan’ny parlemantera ohatra ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT