Nanao fampitandremana ankolaka ho an’ireo ambarany fa mieritreritra hanao asa fanakorontanana ao anatin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena ny Minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotonirina Richard omaly.
Manana ahiahy na loharanom-baovao amin’ny mety hisiana fanakorontanana ve ny Fanjakana? Iza no iantefan’ny hafatra sa ny antoko mpanohitra izay matetika henjehina lava ka fameloma-maso ny antokony tahaka ny ataon’ny mpitondra ihany aza sokajiana fanoganam-panjakana? “Faha-62 taona niverenan’ny fahaleovantena, faha-62 taona nijoroan’ny foloalindahy. Mazava ho azy fa manana hambompom-pirenena isika Malagasy, mankalaza ny fiverenan’ny fahaleovantenantsika ka raha misy olona manakorontana ny fahaleovantenantsika dia sokajiana ho fahavalom-pirenena izany”, hoy io minisitra io. Tsy manana tombotsoa amin’izany ny olona alaim-panahy hanakorontana ka tsy azo ekena izany eto amin’ny tany sy ny firenena ny fanakorontanana, hoy hatrany izy. Manana ny fiandrianam-pirenena, manana ny fahaleovantena, manana ny foloalindahy, ka tokony hisitraka am-pilaminana ny fetim-pirenena am-pitiavana sy ankafaliana ny Malagasy, hoy io Minisitra io, izay nilaza fa efa maka ny fepetra amin’ny fiarovana sy fisorohana ny mety hisian’ny ho korontana ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny EMMO-NAT no hahetsika amin’ny fisorohana ny hisian’ny korontana. Nilaza anefa ity Minisitra ity, fa tsy mino ny hisian’ny korontana izy. Tany Nosy Be, nahetsika avy hatrany EMMO sao hitroatra ny olona eo anatrehan’ny fahatsapana ny tsy ara-drariny fanenjehana sy fanagadrana an’i Ninie Donia. Ny hetsika politika matetika no sokajiana ho asa fanakorontanana eto, ary toa mampihomehy ihany fa ny mpanao politika mbola tsy mieritreritra sy tsy manao fanambarana akory dia efa fantatry ny mpitondra ny ao an-tsainy, dia ny hoe: hanongam-panjakana sy hanakorontana. Sao mba mahana tsy henjehina ny Fanjakana satria efa zatra mpanao an’izany? Ny mpanohitra sy ny mpitsikera lazaina hatrany fa fahavalom-pirenena sy mpanakorontana, fa ny mpitondra mpanao kolikoly avo lenta, mpanodinkodina volam-bahoaka, tsy mahavaha olana izany inona no hanasokajiana azy? Efa azo raisina fa tsy mitombina intsony ve ilay tenin’ny minisitry ny serasera ankehitriny fony izy mpanohitra hoe: zo feno ho an’ny olom-pirenena ny midina an-dalambe rehefa misy zavatra tsy zaka intsony, toy ny vidim-piainana, delestazy.
Legende : Ny minisitry ny fiarovana sy ny minisitry ny filaminam-bahoaka teny amin’ny kermesy lehiben’ny foloalindahy teny Betongolo ny talata lasa teo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.