Actualités

HE Mada « Andao tohanana ireo antoko manana fotokevitra »


  • Alarobia 14 Desambra 2022

Manasa ny olompi-renena rehetra ny antoko politika Humaniste Ecologiste na HE Mada hanohana ireo antoko politika manana fotokevitra sy ideolojia hitondrana fampandrosoana eto amin’ity firenena ity.

Manentana antsika, hoy izy ireo, hizara izany satria misy vahaolana tokoa, ohatra, arosonay mikasika io olan’ny JIRAMA io. Ny olom-pirenena no tena tompon’ny fahefana eto amin’ity firenena ity amin’ny maha repoblika antsika. Rehefa tonga koa ny fifidianana dia fahefana mihitsy ilay mifidy. Aza ariariana fotsiny ny fahefanareo amin’ity indray mitoraka ity fa tena ampiasao ary tsarao izay mamitaka sy mandainga ary manao ny tsy mety eto amin’ny firenena. Nanana olom-boafidy miisa 3 izahay tanaty vondrona Komba teto anivon’ny tan0nan’Antananarivo. I Balita moa nivadika lasa nanohana ny mpitantana ankehitriny. Nandrasana kendry tohana mihitsy ny olom-boafidy anankiroa dia Toavina Ralambomahay sy Hilda Hasinjo na hivadika TIM na hivadika IRK fa tsy niova tamin’ny fotokeviny ireo hatramin’izao. Tsy nizara T Shirt na vola na siramamy izahay nandritry ny vanim-potoanan’ny fifidianana. Voaporofo teo amin’ny tantara politika izany fa tsy voatery mizara izany vao lany. Ho tohizanay izay fomba fiasa izay. Ho tohizanay ny fitaizanay ny olom-pirenena amin’ny fotokevitra, ny fomba fiasa, asa tanterahan’ireo olom-boafidinay ireo. Manana kandida ho mpanolontsain’ny tanàna, ben’ny tanàna, solombavambahoaka ny HE Mada amin’ity. Izay aloha no azo ambara, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT