Actualités

HCC Nanome rariny ny ankolafy Ravalomanana


  • Alakamisy 18 Jolay 2013

Fotoam-bery fotsiny ny nandinihana sy nandaniana teny anivon’ny Parlemanta ilay lalàna 2013-004 itantanana ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny tetezamita aorian’ny fametraham-pialany rehefa nirotsaka hofidiana filoham-pirenena.

Nilaza ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, araka ny fanapahana laharana 04-HCC/D3 nivoaka omaly 17 jolay 2013, fa tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana io lalàna io, ka tsy azo avoaka hanankery. Raha tsiahivina fohy dia fiaraha-mitantan’ireo mpikambana ao anaty governemanta no misolo ny toeran’ny filohan’ny tetezamita aorian’ny fametraham-pialan’ity farany, izany hoe mifandimby filoham-panjakana izy 34 mpikambana ao ankehitriny.

Tsy nandray anjara tamin’ny fandaniana io lalàna io ny ankolafy Ravalomanana. Nialoha ny nandefasana ilay volavolan-dalàna hodinihin’ny kaomisiona koa aza ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo, dia nangataka mialoha ny hevitry ny HCC sao mba fandanian’andro fotsiny ny handinihana azy ity, satria mampiahiahy. Dia io nanome rariny ny ankolafy Ravalomanana io moa izany ny HCC omaly, fa dia tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ilay lalàna nasaina nolanian’ny maro an’isa mpomba an’i Andry Rajoelina, teny Tsimbazaza sy Anosikely. Hamorona lalàna vaovao sa hionona amin’ny “Triumvirat” efa voatondron’ny lalàna fehizoro 2012-015, hitantanana io fahabangan-toerana io raha tsy hoe : hiala tsy ho kandida i Andry Rajoelina ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT