Actualités

Hazandrano ao Morondava Ahiana ho lany tamingana


  • Alatsinainy 18 Jolay 2016

Efa tany amin’ny volana jolay 2015 no nisy ny didy nivoaka mikasika ny tsy fahazoan-dalana manjono drakaka intsony noho ny fanahiana fa ho lany tamingana izy io.

 

 Ny volana oktobra teo no fetran’ity lalàna ity  kanefa dia mbola nahasarona drakaka milanja 80 kilao nojonoina orinasa lehibe iray ihany ireo mpitandro ny filaminana tany an-toerana ny volana aogositra. Raha tsiahivina, nogiazana sy nomena ho sakafon’ireo gadra tao an-toerana izany tamin’izay fotoana izay. Tsy ela fa vao tamin’ny fiandohan’ny taona teo indray dia nisy ny vaovao nilaza fa taksibrosy iray avy any Morondava no tratra nitondra drakaka 5 kesika sy 2 sobika ary foza be 40 kilao tsy ara-dalàna avy any amin’ity faritra ity ihany ka hizotra ho aty Iarivo ary dia nogiazana ihany koa. Ireo tompon’entana tsy fantatra ny nahazo azy. Ny tompon’andraikitry ny sampandraharahan’ny jono ao an-toerana tamin’izany fotoana aza nilaza fa matetika afaka madiodio ireo mpanao trafikana hazandrano ireo ary na mody fanina sy milaza ho tsy mahalala izay entana entiny aza ireo mpitatitra dia ahiana ho misy tsikombakomban’izy ireo amin’ny tompon’entana ao. Amin’izao fotoana dia milaza ny mpahay fiarahamonina iray miasa any an-toerana fa efa ahiana ho lany tamingana ny drakaka sy ny trondro any satria jifain’ireo sambon’orinasa amina firenena avy any ivelany. Torohevitra nomen’ity mpahay fiarahamonina ity moa ny hoe “tokony hatao fadin-drazana ny mampanofa tany amin’ny vahiny”. Araka izany dia ilana fanaraha-maso sy fepetra hentitra avy amin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana mihitsy ity resaka jono ao Morondava ity. Ireo hazandrano manontolo mantsy no mitady ho lany tamingana. Handova dezaka tokoa, araka ny filazan’ilay mpanakanto iray izay isika raha mbola “midororororo” eto.

Nangonin’i Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT