Actualités

Havaozina ny ozinina ao Ibity Tanjona ny ho 14 000 Ar ny simenitra iray lasaka


  • Zoma 09 Desambra 2022

Tontosa omaly 08 desambra 2022, tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Alatsinainy Ibity ao anatin’ny Faritra Vakinankaratra,

ny fanamarihana ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny asa fanitarana sy fanavaozana goavana ny ozinina mpamokatra simenitra ao Ibity. Nambara fa tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano faha-7 sy ny fanamby napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ity tetikasa ity, dia ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Ho vita ary hiodina amin’ny taona 2025 ny orinasa vaovao ary hampiasa akora vokarina eto an-toerana ihany. Hitombo avo 5 heny ihany koa ny famokarana simenitra satria hahatratra hatramin’ny 1.000.000 taonina izany raha 180.000 taonina amin’izao fotoana izao. Kendrena noho izany ny hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsimenitra sy ny hampidinana hatramin’ny 14.000ar ny vidin’ny iray lasaka, raha 30.000ar izany amin’izao fotoana izao, hoy ny fampanantenana. Nilaza ny Filoham-pirenena fa manamarika ny fahatokisan’ny mpandraharaha vahiny ny fanatsarana nentina eo amin'ny tontolon'ny fandraharahana sy ny Fitondrana io. Tokony ho taratry ny hambompom-pirenena ny ozinina goavana tahaka itony, hoy izy, ka izay no antony nitakiany tamin'ny vondrona CIMENTIS ny 20% ny "actions" mba hisokatra amin'ny malagasy rehetra eto an-toerana sy any ivelany. Tsara ny vina sy ny finiavana, ary raha tsiahivina dia efa tamin’ny andron’ny tetezamita no niresaka sy nampanantena ozinina mpanao simenitra goavana indrindra aty Afrika I Andry Rajoelina, nampanantena vidina simenitra ambany. Miverina io resaka io ankehitriny, saingy tsy ny Fanjakana madiodio no hanao azy fa sehatra tsy miankina. Ny manahirana ao anatin’itony fotsiny dia ilay karazana fampanantenana milaza fa hidina hatrany amin’ny 14.000Ar ny vidin’ny iray lasaka raha 30 000Ar ankehitriny. Tsy adala ny Ntaolo niteny hoe “Valala tsy an-tànana tsy atolo-jaza”. Efa fomba firesak’ingahy Filoha io, tahaka ny fitokanana ny orinasa LMOI mpamokatra lafarinina ao Toamasina ny 18 novambra 2020, nilazana fa hamokatra hatrany amin’ny 1200 taonina isan’andro amin’ny 2021. Nambarany fa hihena 15% ny vidin’ny lafarina noho ny famokarana eto an-toerana no sady hihatsara ny kalitao. Roa taona aty aoriana isika izao! Nihena ve ny vidin’ny lafarinina? Nidina ve ny vidin’ny mofo dipaina sy ny zavatra vita amin’ny lafarinina?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT