Actualités

Hasarotina ny fidirana aty Madagasikara Hakatona amin’ny mpizahatany mihitsy ve?


  • Alakamisy 28 Jolay 2022

Tena mitady izay hidiantsika amin’ireo mpizahantany ve no tanjona? Ho aty madagasikara irery no mila mandany fotoana sy mandany vola ireo mpandeha no tsy maintsy mbola manao fitiliana PCR handaniana 1 hetsy ariary

isan’olona. Handaniana tapak’andro satria tsy manana an’ireny intsony ireo seranam-piaramanidina any ivelany, ka tsy maintsy mamonjy toeram-pitsaboana manokana any amin’ilay firenena, hoy ny fanamarihana. Tonga eny Ivato dia mbola tsenaina amin ny fitiliana hafa indray ireo mpandeha. Ary mbola handoavam-bola. Any amin’ny seranana hafa nefa dia tsy mila izany intsony, hoy ny fanamarihana. Marina fa fisorohana ny fidiran’ny valanaretina, saingy misy endrika fitadiavam-bola ankolaka mihoatra ny fahita any ivelany, ankoatra ny fahalaniam-potoana. Na ao Maorisy, Afrika atsimo, Kenya,… samy tsy misy ahitana an’izany raha ny manodidina antsika sy mifandray amintsika. Tsy azon’izao fitondrana izao mihintsy ve ny maha zava dehibe ny fizahantany no toa kiviana sy hasarotina tanteraka ny fahafahana miditra aty Madagasikara? Tonga hatramin’ny fanaovana fahirano ny fifandraisana an’habakabaka amin’ny firenen-kafa toy ny amin’i Afrika Atsimo sy Kaomoro fa hoe: mitaky ny famerenana ny volamenantsika niondrana antsokosoko tany. Ekena fa resaka fiandrianam-pirenena ny fampodiana harem-pirenena saingy adino ve fahadisoan’ny manam-pahefana Malagasy ihany koa no nahatafaporitsaka an’ireny? Hatrany amin’ny lafiny toekarena sy ara-barotra no hatao takalon’aina? Mampiditra vola vahiny, manome asa ireo hotely, mamelona ireo mpisehatra rehetra mifandray mivantana na ankolaka aminy ny fizahantany. Raha hiverenana, nahatratra 3900miliara Ar ny fatiantoka, ny vola tsy niditra tamin’ny sehatra ara-pizahantany nandritra ny roa taona (2020-2021). Mbola hamafisina amin’ny fanidiana ireo sidina mpifandray amin’ny Madagasikara. Sa hiverin-dàlana hitodika manokana amin’i Lafrantsa indray ny politika tiana atao? Mba mila mahay mijery ny hafa ihany fa mety hamono asa maro ny tsy fahaizana manapan-kevitra ka sao ny hambo-po diso toerana no mbola hanampiana trotraka ny fahapotehana efa misy. Raha misy ny olana, mila vahana haingana amin’ny fomba diplaomatika, fa tsy hasarotina mandavan-taona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT