Natolotra ny fampanoavana omaly ilay tovolahy namono tamin’ny fomba feno habibiana lehilahy lehibe iray 73 taona tany Antsahatanteraka, Kaominina Ankazondandy, Distrikan’i Manjakandriana ny harivan’ny 31 martsa teo. Hasarotam-piaro amin'ny vadiny no antony namonoany an'ity lahiantitra ity raha ny nambarany ihany. Notsindrominy farango teo amin'ny mahalehilahy, notombohana angady ny tarehiny, ny lohany, ny sofiny. Potipotika ny vatany noho ny ratra nahazo azy. Azon'ny fokonolona sambo-belona ilay tovolahy nahavanon-doza. Miandry ny fitsarana azy any am-ponja izy ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.