Tontosa ny talata 28 martsa teo ny famindram-pahefana teo amin’i Malazarivo Félix, ministra nesorina tao amin’ny governemanta Camille Vital sy Rahajason Harry Laurent, vao notendrena hitantana ny ministeran’ny fifandraisana.
Ny sabotsy 26 martsa, andron’ny nanendrena azy ity farany dia nanao dom-bera tamin’ny fampiantsoana mpanao gazety teny Ivato teny. Tamin’izay no nambarany fa ny hamerina ny hasin’ny fanaovan-gazety sy ny fametrahana ny lalàna mifehy azy io no ho vain-dohan-draharahany. Nampanantena avy hatrany zava-maromaro ny lehilahy toy ny fananganana ny vaomieran’ny etika hanao lalàna sy tari-dresaka amin’ny fanatsarana ny asa fanaovan-gazety, ny famoahana ny “Charte de Munich 1972” ho torolalana sy ho arofanina ho an’ny tsirairay, ny hanaovana fanofanana hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety rehetra ary hatao misesisesy io, ny famelomana ny fanamarihana ireo daty rehetra mikasika ny asa fanaovan-gazety toy ny 3 mey, ny andron’ny radio …, fandravana ny elanelana misy amin’ny fifandraisan’ny mpanao gazety.
Tsy nanafina ny nofinofiny manokana ihany koa i Harry Laurent Rahajason raha nilaza fa “mba ho vita hatreo ny disadisa madinika noho ny tsy fitoviam-pijery isan-tokony ary raha vao vita ny famindram-pahefana dia mandeha ny fanangonana anarana isaky ny toeram-piasan’ny mpanao gazety rehetra ka havaozina ny kara-panondroana maha mpanao gazety. Tena hafa kosa aloha ny teny avoaka amin’onjam-peo fa ny toy itony dia soratra mitoetra hifandovan’ny mpikirakira azy rehetra. Iray amin’ireo mpanolotsaina an’i Andry Rajoelina i Rahajason Harry Laurent, ary talen’ny serasera teo anivon’ny fiadidiana ny Fahefana avon’ny tetezamita, nialoha izao nanendrena azy ho ministry ny fifandraisana izao. Dian-tanany no tao ambadiky ny seraseran’ny FAT mahakasika ireo raharaha mafanafana teto amin’ny firenena tao anatin’izay roa taona izay. Koa sarotra ihany no hiantohana ny tsy fitanilana amin’ny fanantanterahany ny asany amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.