Actualités

Harona plastika Tsy mbola hita taratra ny fihenan’ny fampiasana azy


  • Alatsinainy 05 Jolay 2021

Tsy mbola hita taratra ny fihenan’ny fampiasana azyNy Didim-panjakana laharana 2014-1587 tamin’ny 07 oktobra 2017 no mandrara ny famokarana, ny fanafarana sy fivarotana ny harona plastika

 eto amin’ny tanin’ny Repoblikan'i Madagasikara. Na dia teo aza anefa ny famoahana io Didim-panjakana io dia tsy mbola ahitana taratra fihenana ny fampiasana ny harona plastika. Zava-doza amin’ny tontolo iainana sy ny fahasalaman’ny olombelona anefa ny fiparitahan’ny fako plastika. Tsy mety levona ; raha dorana mankarary sy mahavoan'ny homamiadana, nefa raha ariana dia mandoto tanàna ary manatsentsina lakan-drano. Tsy vitsy koa ny biby fiompy tahaka ny omby sy ny kisoa tafahinana ireny harona plastika ireny ary miteraka fahafatesany. Rehefa hoentin’ny rivotra na rano amin’ny fitohanan'ny orana ny fako plastika dia tonga any an-dranomasina ka maro amin'ny biby an-dranomasina koa no tafahinana azy ireny. Ny hiafaran’ireny plastika ireny dia miverina anaty lovia amin’ny alalan’ny fihinana hena sy trondro. Raha ny filazan’ny manampahaizana dia ampaha-efatry ny trondro andranomasina dia efa ahitana plastika ao anatin’ny vatany ; ary raha mitohy ny tsy fandraisana andraikitra, afaka taona vitsy dia hihoatra ny isan’ny trondro ny hamaron’ny fako plastika anaty ranomasina. Azo atao tsara anefa ny mampihena ny fampiasana azy ireny amin’ny fampiasana ireo harona vita amin’ny akora natoraly ohatra.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT