Actualités

Harizaka Rakoto “Maha banky ropotra ny findramam-bola mivaona amin’ny banky”


  • Alarobia 05 Oktobra 2022

Ny NIM na “Nouvelle institution de microfinance” moa, hoy ny tale jeneraliny, Harizaka Rakoto, dia banky ho an’ny sahirana fa tsy toy ilay an-davan’andro.

Ny sehatra aty amin’ny mbola tsy tafiditra anaty ara-dalana na “informel” no tena sahaninay, hoy izy. Ankoatran’izay moa dia ny sehatry ny tantsaha na ilay antsoina hoe “agriculture d’agrégation” na “agriculture contractuelle” no nekanay ho sahanina sy handraharahana. Ny antokay voalohany dia ny hoe nahazo alalana teny amin’ny banky foibe izahay. Misy lalàna sy fepetra be dia be no dikan’izay tsy maintsy arahanay fa raha sanatria izahay tsy manaraka an’izay dia mety ho voasintona hatramin’ilay alalana. Tsy izay rehetra mangataka vola dia afaka misambotra. Hadihadianay tsara hoe moa ve tena matotra ny tetikasan’ilay olona? Manana fahaiza-manao amin’izany ve izy ary tena hitondra soa ho azy izany? Tsy sanatria hoe hihindram-bola izy dia hanaovany famadihana na fety fa tsy hoe lavanilina na kakao, ohatra. Ilay mivaona toy izay no maha banky ropotra ny mpindram-bola amin’ny banky. Samihafa ny “microfinance” sy ny sehatry ny banky. Ny mpiasan’ny “microfinance” no manatona ny olona mijery izay zava-misy sy manampy ilay olona hanangana ny dosie mety hahasoa azy ary mialohan’ny hahazoany vola dia misy fanadihadiana mety hatao handanjalanja ny hoe inona no mety sy tsy mety? Misy fanaraha-maso sy tan-tsoroka mety atao ao. Mety miditra amin’ny ara-tsosialy mihitsy aza izahay ary manoso-kevitra hatramin’ny isan-jaza mba hahafahana manena ny fandaniana ao an-tokantrano na ilay asan’ilay olona. Efa misy moa ny teknisianina momba ny fambolena ao anatin’ilay antsoina hoe STOI Agri izay miara-miasa aminay ihany koa satria tantsaha no tena resahantsika. Ireo no mifantina ireo tantsaha tokony hampidirina anatin’ny hoe “Paysans partenaires” na tantsaha mpiara-miasa izay omena tantsoroka mikasika ny fanabeazana ara-bola tokony atao, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT