Tato anatin’ny herinandro dia maro ireo tranga fitrandrahana an-tsokosoko ny harena voajanahary tra-tehaka tany amin’ny faritra vokatry ny fanomezam-baovao avy amin’ny mpanome
vaovao miafina sy ny olona tsara sitrapo ary ny fandraisan’andraikitry ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana, hoy ny sabotsy teo ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy. Mankasitraka tanteraka amin’ny fijoroana nasehonareo amin’ny fiarovana ny harena voajanaharintsika, hoy ny minisitra, Vina Marie-Orléa, ary manentana ny olom-pirenena rehetra ho saro-piaro amin’ny fiarovana azy ireo. Ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy dia efa nametraka ny politika « Tolérance zéro » amin’ny famotehana ny ala sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo harenantsika ireo. Hiara-hientana sy hifanome tanana isika hiaro ireo harena voajanahary ireo mba ho lovainjafy, hoy hatrany ny tenany.
Legende: Manentana ny olom-pirenena ho saropiaro amin’ny harena voajanahary ny minisitry ny tontolo iainana, Vina Marie-Orléa
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.