Manodidina ny 111.000 tapitrisa ariary na 111 miliara Ariary ny vola tokony hogejaina ka ampidirina amin’ny kitapom-bolam-panjakana,
araka ny tomban’ireo Sampan-draharaham-panjakana momba ny ady amin’ny kolikoly. Nivoitra io nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny kolikoly ny faran’ny herinandro teo, natao tany Fianarantsoa, notarihin’ireo rafi-panjakana mifandraika amin’ny ady atao amin’ny kolikoly. Isan’ny niompanan’ny adihevitra ny momba ireo dingana sy fepetra amin’ny fanagiazana harena heverina ho azo tamin’ny tsy ara-drariny na “récouvrement des avoirs illicites”, izay nanipihan’ny firaisamonim-pirenena ny maha zava-dehibe ny fangaraharana, izay tokony miainga amin’ny didim-pitsarana ny fanapahan-kevitra hangeja sy hamerina ireo fananana gejain’ny Fanjakana. Tsara ny mampahatsiahy fa nankatoavina ny 29 septambra 2021 lasa teo ny didim-panjakana nametraka ny ARAI (Agence de recouvrement des avoirs illicites), rafitra fahadimy farany mameno ho 5 ireo rafitra hiadiana amin’ny kolikoly ahitana ny PAC (Pôles Anti-Corruption), BIANCO (Bureau indépendant anti-corruption), CSI (Comité pour la sauvegarde de l’intégrité), ary ny SAMIFIN (Sampandraharaha Malagasy Iadiana amin'ny Famotsiam-Bola).
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.