Actualités

Harena an-kibon’ny tany Mandeha ny afera, miesona ny Praiminisitra


  • Alatsinainy 10 Janoary 2022

Mandrak’ity ny androany, tsy voatendry ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany taorian’ny fametraham-pialan’ny Minisitra Brice Randrianasolo ny 18 aogositra 2021 telo andro taorian’ny fanendrena.

 Mandeha anefa ny afera sy ny trafika amin’ny endriny maro na ny ato anatiny, na ny avy eto makany ivelany. Sehatra goavana sy stratejika be ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany, saingy goragora tanteraka. Ny andraikitry ny Praiminisitra efa goavana, saingy mbola miampy fisahanana io minisitera io, ka lojika raha izao no miseho, tena miesona izy sy ny ekipany hoy ny olona mahalala tsara io sehatry ny harena an-kibon’ny tany io. Io ny raharaha volamena 49kg tratra tany Kaomoro, izay nangina tsy nisy mivolana ny mpitondra sy ny manam-pahefana mahefa teto, fa ho 10 andro taoriana vao niteny. Efa tena lasa lavitra ny fanenjehana tany Kaomoro, izay vao hoe: mandeha ny fanadihadian’ny Bianco, PAC (Pôle Anti-Corrumption), ary nisy ny delegasionina notarihin’ny Minisitry ny fitsarana nalefa any Kaomoro. Haka ireo olona voasaringotra hotsaraina aty no tena no noresahina, fa ny volamena aza mbola nolazaina fa mandeha ny fanadihadiana hoe: avy aiza marina? Efa nisy aza ny toa fivoizana nataona andian’olona heverina ho voairaka sy voakarama nanely tamin’ny tambajotran-tserasera fa tsy an’i Madagasikara sy tsy avy aty Madagasikara ny volamena. Tsy vao izao fa betsaka izay afera nitranga izay. Porofon’ny tsy fahamatoran’ny Fanjakana ankehitriny ny hoe: ao anatin’ny 5 volana ve tsy mahita olona hatao minisitry ny harena an-kibon’ny tany? Nolazaina fa tsy nahavita iraka sy asa nampanaovina azy ilay teo aloha dia nesorina ka mahavita iraka sy mahafehy ilay sehatra ve ny mpisolo toerana vonjimaika? Efa kajikajy atao mihitsy hampandehanana ny afera goavana momba ny harena sarobidy mampiahiahy eto amin’ny firenena? Ahiana ho efa an-taoniny maro ny volamena niondrana antsokosoko avy eto nanomboka ny oktobra 2020 nilazana fa miato ny fanondranana volamena makany ivelany. Fampandrosoana inona no ho vanona raha olona hatao minisitra aza tsy hita ao anatin’ny fotoana lava ?

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT