Actualités

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy avelantsika ho viraviraina toy izao ny firenena”


  • Zoma 08 Janoary 2021

Taonan'ny fanamby ny 2021. Mila miray hina ny TIM hanangana Firenena vanona.

 

 

 

 

Tsy mainrsy ho azontsika ny tany vaovao. Tsy hatao hira faneva fotsiny izany fa hatao asa ho amin'ity taona ity. Vonona tanteraka ny Tiako I Madagasikara eto amin'ny Boriborintany voalohany ary aorian'ny Filoha Nasionaly Marc Ravalomanana tanteraka, hoy ny fanambarana nandritra ny fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao nataon’ny TIM boriborintany I teny Bel’Air omaly. "Arindra tsara ny “organisation”, ary hamafisina ny firaisankina ka rehefa tonga ny fotoana dia manainga isika", hoy ny Filoha Nasionalin’ny TIM Atoa Marc Ravalomanana. Nohazavain’ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa voafidy tao amin’ny Boriborintany I, fa mbola ireo tompon’andraikitra isaky ny rafitra ifotony rehetra no nihaona tao amin'ny QG Belair omaly. Ireo no hampita ny toromarika any amin'ny mpikatroka rehetra. "Na inona na inona fandikan'ny sasany izany dia izay no izy", hoy hatrany i Me Hanitra. "tsy avelantsika ho viravirana toy izao ny Firenena", hoy hatrany izy. Ankoatra ny atrik’asa niarahana tamin'ny Birao politika sy ny Filoha Mpanorina Marc Ravalomanana dia fotoana nifampiarahabana tratry ny taona ihany koa ny omaly. Nanolotra fanomezana ho an'Atoa Marc Ravalomanana ny TIM ao amin'ny Boriboritany voalohany ho fanamarihana izany. Nisy ihany koa ny fanomezana miendrika nofon-kena mitam-pihavanana avy amin’ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa ho an'ireo tompon’andraikitra ireo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT