Sahiran-kevitra ankehitriny ny orisana MainLand izay mikasa ny hanitatra ny faritra hitrandrahany fasimainty ao atsimon’i Toamasina, dia ao amin’ny Kaominina Amboditandroroho sy Ambodisaina Toamasina II.
Fantatra mantsy fa mitsipaka marindrano izany ireo teknisianina, manahy ny fiainany sy ny hoavin’ny kaomininy koa ny vahoaka. Nisy ny fivoriana niantsoana ireo teknisianina avy amin’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany sy ny tontolo iainana ny 04 septambra teo, fihaonana natao tao amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana. Nandritra io fivorina io no nitondran’ireto teknisianina ny heviny. Hentitra ny teny tao : “amboarinareo Mainland aloha ny fahasimbana nateraky ny fitrandrahanareo tao Analanjirofo sy ny lalam-pirenena faha-05, vao miditra amin’ny fanitarana ny fitrandrahanareo ianareo. Toa ny harenanay Malagasy fotsiny no tianareo Sinoa trandrahana, fa ny fanamboarana ny fahasimbana sy ny tontolo iainan’ny mponina toa ataonareo ambanin-javatra tanteraka”. Tsy nanomboka akory ny fivoriana dia nirava maina satria tsy nanaiky ny hanaovana ny fanitarana ireto teknisianina ao Toamasina ireto noho io fepetra io. Milaza anefa ny Mainland ny talata teo fa haka indray ny hevitry ny mponina. Miteraka ahiahy eo amin’ireo teknisianina sy olom-pirenena tonga saina izany, hoy Atoa Rakotoarivelo Solofo Ginas, ireto farany izay manao antso koa ny tsy hanekena izany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.