Actualités

Hangotraka ny fandoavan-trosa Mpanjifa 158 000 ananan’ny jirama 71 miliara Ar


  • Talata 29 Desambra 2020


 

 

Mahatratra 71 miliara ariary ny trosa ananan’ny Jirama amin’ny mpanjifa manerana ny Nosy noho ny tsy fahafahana tsy nandoa faktiora nandritra ny fihibohana, teo anelanelan’ny martsa-aogositra 2020 teo. Trosan’ny mpanjifa eto Antananarivo avokoa ny 39 miliara ariary amin’ny faktiora 71 miliara Ar, hoy ny Tale ara-barotry ny Jirama Atoa Thierry Ramangasoavina tamin’ny fampahalalam-baovaon’ny fahitalavitra tsy miankina iray omaly. 158 000 eo ny fitambaran’ny mpanjifa tsy nandoa ny faktiora nandritra ny fihibohana manerana an’i Madagasikara, ka ny 100 000 eto Antananarivo avokoa manome ilay 39 miliara ariary. Ny 10% amin’ireo eto Antananarivo ireo no efa nahaloa, izay nahazoana 4 miliara ariary. Ny volana oktobra no efa nandefa taratasy fampahatsiahivana ireo mpanjifa ny Jirama. Manomboka ny janoary 2021 no tokony handoa izany, ka in’enina eo no hanefana azy io. Nalefa tamin’ny tsirairay ny fampahatsiahivana, ka raha misy fangatahany manokana amin’ny fanefana azy mety ho im-pito na im-balo eo ohatra, dia efa misy ny sampan-draharaha manokana eny amin’ny rantsan’ny Jirama miandraikitra izany. Aloha miaraka amin’ny fandaniana isam-bolana izy io manomboka ny janoary, izany hoe hiampy indray ny vesatra ho an’ny mpanjifa satria tsy maintsy hanefa trosa, ankoatra ny fandoavana ny fandaniana mahazatra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT