Actualités

Halatra zaza varira tany Ikongo 15 mianadahy nosamborina tao Ihosy


  • Talata 13 Desambra 2022

zazalahikely varira vao 05 taona monja no nalaina lehilahy miisa 03 an-keriny tao an-tranony tany amin’ny distrikan’Ikongo, andro vitsy lasa izay.

Ny sasany tamin'ireo mpaka an-keriny kosa efa niandry tany Fianarantsoa hitondra ilay zaza ho any Ihosy. Nahazo loharanom-baovao ny Polisy tao Ihosy noho izany fa misy andian'olona mampiahiahy miaraka amin'ny zaza varira tonga eny amin'ny tobim-piantsonana. Nidina teny an-toerana avy hatrany iretsy voalohany ka raha vao nahita azy ireo, ireo mpaka an-keriny dia nirifatra nandositra. Raikitra ny fifanenjehana nandritra izany ka olona miisa 15 no voasambotry ny Polisy. Ilay zaza varira kosa avotra soa aman-tsara. Raha ny fantatra dia saika ho amidin'izy ireo lavidavitra ity zaza varira ity. Amina miliara mantsy ny vidin’izy ireny amin’izao ka ny masony no tena alaina sy katsahin’ireo mpanao ratsy.
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT