Actualités

Halatra sy haro-paosy Olona 7 no voasambotra teny Isotry


  • Alatsinainy 19 Desambra 2022

Olona miisa fito, ka vehivavy ny iray no voasambotry ny Polisim-pirenena tao amin’ny faritra iadidian’ny kaomisaria CSP4 Isotry ny 17 desambra teo rehefa nanendaka sy nangarom-paosy.

Mba hisian’ny fandriampahalemana amin’izao ankatoky ny fety izao dia miara-misalahy hatrany ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny eo anivon’ny Polisim-pirenena . Isan’ny nanaovan’izy ireo andrimaso tamin’izany ny tao amin’ny faritr’Isotry izay be mpifamezivezy ; niarahan’ireo Polisy miasa ny avy ao amin’ny Unité Spécialisé de la Police Nationale (USPN) , ny Service Anti-gang » (SAG), ny « Unité Spécialisée d'Intervention » ao amin’ny central , ny « Unité d'Intervention Rapide» (UIR) ary ny « Brigade Féminine de Proximité »(BFP). Nanao fanamiana sivily izy ireo ka napetraka ny paikady mba hanara-maso ny any anaty olona rehetra any. Nahitam-bokany izany ka nahafahana nisambotra azy fito mianadahy ireto. Ny sasany manararaotra mangarona ny paosin’ireo olona variana mijery zavatra raha tsiahivina, ny hafa kosa misintona ny zavatra eny am-pelatanan’olona… Ireto farany moa izay noraisim-potsiny rehefa narahan’ireo Polisy maso. 18 ka hatramin’ny 35 ny sala-taonan’izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy fito mianadahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT