Vaky ny resaka ankehitriny fa misy mpitsara, mpitandro ny filaminana ary depiote izany ao ambadik’ireo mpangalatra solika amin’ny fantson’ny Galana sy mpiray tendro sy mpampita ny vaovao rehetra amin’ireo jiolahy ary mpiaro azy ireo amin’ny halatra ataony.
Vokany, sarotra ny asan’ireo polisy “Saka Mainty” nalefa hamita iraka ao Toamasina. Misedra olana ihany koa ny fisamborana sy ny fanadihadiana ataon’izy ireo iarahany amin’ny polisy misahana ny heloka bevava ao Toamasina, satria betsaka ny fanelanelanana, maro ny ramatahora ary tsy ferana ny fandrahonana. Hatreto dia roa monja ny antontan-taratasy tonga eo anivon’ny fampanoavan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina. Raha ny angom-baovao anefa dia efa am-polony maro ireo olona voasambotra ary an’aliny litatra ny solika tratra efa naverina amin’ny Galana tompony. Tamin’ireo roa efa niakatra fitsarana indray dia ny iray ihany no notazonina am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy. Lasa aiza ary ireo ambiny rehetra ? Ho hita eo ny tohiny, fa ny re dia hampiantso fihaonana maika hifanaovan’ny faritra sy ny mpitandro ny filaminana ary ny mpitsara ny eo anivon’ny fitsarana ao Toamasina, hamahana haingana izao olana goavana izao satria mitatao ny loza ary tsy hatoky ny tompon’andraikitra ihany koa ny vahoaka.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.