Ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 3 ora maraina teo dia nahatsikaritra ireo mpiambina ny faritra arovana ao Ankarafantsika fa misy lehilahy iray hikasa hiditra teny amin’ny toerana nisy ireo sokatra angonoky.
Nitsoaka avy hatrany ity rangahy ity rehefa nahita ireo mpiambina. Nifanenjehin’ireo mpiambina sy ny fokonolona mipetraka eo akaikin’ny Parc Ankarafantsika moa izy ka voasambotra ihany avy eo. Nambarany fa roa lahy izy no saika hikasa hangalatra fa tafatsoaka ny iray rehefa raikitra ny fifanenjehana. Voalaza ihany koa fa nisy naniraka izy haka ireo sokatra ireo. Sarona tany aminy ny finday sy ny fitaovana toy ny barre pince sy ireo karazana vy izay entina hamakiana ny tranon’ireo sokatra ireo. Raha nanontanian’ny tompon’andraikitra ny ala izy dia fantatra fa heno tao anatin’ny finday io avokoa ny resaka nifanaovan’izy sy ny olona naniraka azy. Hatramin’ny toerana misy an’ireo biby ireo dia hita tao anatin’io finday teny aminy io avokoa. Nosamborina ny tenany ary nentina tao amin’ny zandary Ankazomborona. Raha ny fanadihadina natao azy dia nanamafy izy fa olona ambony no naniraka azy haka ireo harem-pirenena ireo ary mahafa-po ny vidiny hakana ny sokatra azo ao.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.