Actualités

Halatra siramamy tao amin’ny Port Nandoa ekôlazy ilay mpibizina dia afaka ?


  • Talata 15 Martsa 2011

Mbola raharaha hafa nitranga teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, teo an-tokotanin’ny Antenimieran’ny Varotra Toamasina eo anivon’ny seranan-tsambo araka ny loharanom-baovao, no nanjavona ireo kaontenera am-polony maro nisy siramamy nohafarana mpandraharaha.

Ny zandary no nandray an-tanana ny fanadihadiana satria tafiditra amin’ny faritra sahanin’izy ireo eo anivon’ny Port no nahavery ny kaontenera. Efa nisy olona nosamborina tamin’ity raharaha ity, izany R.H izany. Araka ny fantatra anefa dia toa nandoa ekôlazy enina tapitrisa ariary izany izy io dia navotsotra. Toa tsy tonga teny amin’ny fitsarana akory aza ny antontan-taratasy nanenjehana azy. Mbola anatin’ny fikaroham-baovao kosa ny Tia Tanindrazana hamantarana ny nahazo ity ekôlazy ity : ny nanao ny fanadihadiana, sa ireo mpibizina aferam-pitsarana, sa mpanao politika lava tanana ? Ny hany fantatra dia manana fiara vaventy maromaro ilay voampanga, saingy iray ihany ny laharany. Io nomerao tokana io no avadibadiny amin’ny fiara hanaovany bizina.

Ankoatra izay dia misy izany vehivavy Sinoa izany koa mpibizina miaraka aminy izay karohana fatratra amin’izao fotoana izao. Araka ny fantatra dia mbola ifanenjehan’ny fanjakana koa io Sinoa vavy io, noho izy voarohirohy ho saika hanondrana “bois de rose”, nogiazana teo anivon’ny seranan-tsambo, farany teo. Andrasana izay ho tohin’ny fanadihadiana sy ny marina amin’izy ity, fa hatreto aloha dia ireo mpandraharaha ara-dalàna hatrany no lasibatra sy idiram-patiantoka manoloana ity halatra efa miseho masoandro eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina ity.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT