Actualités

Halatra miaro vono olona Kamiao very teny Anosizato, tratra tany Ambositra


  • Alakamisy 21 Jolay 2016

Nitrangana halatra kamiao narahana vono olona teny Anosizato ny marainan’ny talata 19 jolay teo.

 

Nanao fanarahan-dia ny zandarimariam-pirenena rehefa nahazo fampilazana fahaverezana, ka fantatra tamin’izany fa nianatsimo nanaraka ny lalam-pirenena faha-7 (RN7) ny dian’ireo mpangalatra. Napetraka ny sakan-dalana rehetra   tamin’ny RN7, Antsirabe-Morondava ary Ambositra-Fandriana. Ny harivan’io andro io, tamin’ny 7ora sy sasany, dia tratran’ny zandary tao amin’ny Kaominina Ivato Centre, Distrikan’Ambositra ilay kamiao. Raha mbola nanajanona ny fiara ny zandary dia tafaporitsaka any anaty haizina ny mpivady iray anisan’ny atidoha tamin’izao raharaha izao. Voatazona kosa ilay mpamily izay nanazava fa nantsoin’izy ireo mba hikarama hamily io fiara io mandroso sy miverina haka akondro any Vohiparara. Io mpamily io no nanoro fa misy naman’ireo mpivady ireo manaraka amin’ny taksibrosy avy ao afara ka voasambotra koa izy ireo. Ny fianakavian’ilay maty novonoin’izy ireo moa dia efa nametraka fitoriana tao amin’ny borigadin’ny polisy misahana ny heloka bevava Anosy ka ny alarobia 20 jolay 2016 dia tonga tany amin’ny kaompanian’ny zandarimaria Ambositra ny polisy avy amin’io sampana io. Noho ny fitsipiky ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta dia nomen’ny zandary azy ireo raharaha satria tany amin’ny polisy no nametrahan’ny niharam-boina fitarainana voalohany.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT