Raha mbola karohina ingahy Yves mpamily fiara vaventy, dia fantatra indray izao araka ny loharanom-baovao akiky ny mpanao fanadihadiana fa tafiditra amin’ilay halatra kaontenera niseho tao amin’ny Port ny herinandro teo ny tompon’ilay fiara vaventy nofain’ilay Sinoa tompon’entana hitondra izany hiakatra eto Antananarivo.
Raha natao ny fanadihadiana, dia hitan’ny ladoany nanao ny fanamarinana taorian’ny fisavana ireo entana tsy hita, fa mpiray tendro sy tsikombakomba tamin’ity fahaverezana entana ity ny tompon’ilay fiara vaventy. Amin’ny ladoany Toamasina, dia mahalala tsara ny fisian’ny entana ny tompon’ilay fiara satria izy no nanao ny fifanarahana ara-barotra tamin’ny fitaterana izany, izy ihany koa no naniraka ny mpamiliny haka ny entana tao amin’ny Port niaraka tamin’ny “transitaire” mpamoaka ny entana teo anivon’ny MICTSL sy ladoany, ary mahafantatra tsara ihany koa fa tsy maintsy mbola savain’ny ladoany ny entana alohan’ny tena hivoahany. Fantatr’ilay tompon’ny fiara vaventy tsara koa ilay mpamily izay karohina ankehitriny satria efa mpiasan’ny zaodahany an-taonany maro, ary niasa tao aminy am-bolana maro ihany koa. Mitohy ny fanadihadiana moa ka dia ho hita eo ny marina amin’ity raharaha ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.