Actualités

HALATRA JIRO


  • Zoma 06 Mey 2016

Tokantrano iray tao Andranomanalina no tra-tehaky ny Jirama tamin’ny fangalarana jiro.


Fahatapahana maharitra no nahitana fa hay nisintona herinaratra tamin’ny andrinjiro iray ity tokantrano ity. Maka efatra alina Ariary isan-tokantrano ireo olona ireo. Tokantrano dimy eo no mampiasa izany. Efa eo ampelatanan’ny Jirama ny raharaha amin’izao.

ANKATSO
Napetraka ofisialy amin’ny toerany nandritra ny lanonana natao ny alarobia teo, ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo Pr Panja Ramanoelina sy ireo sojaben’ny fakioleta samihafa misy ao an-toerana, voafidy tamin’ny 11 janoary 2016.

AMBODIRANO IVATO
Nanao fanasana fihinanam-be namono omby 10 ho an’ny vahoaka teny Ambodirano Ivato misy ny trano fonenany sy ny manodidina azy ny praiminisitra Mahafaly Olivier ary nanasa ireo Ben’ny tanàna manodidina hanatrika izany.

MANARINTSOA ISOTRY
Fiara sendra nandalo no nianjeran’ny andrinjiron’ny Jirama, efa tokony hisolo noho ny fotony efa lo, ka nampitaraina ny mponina eny. Raha tsy nitranga ny loza toy izao tsy hanolo ny simba ireo tompon’andraikitra. Tonga amin’ny fitenenana hoe : « lasa ny alika vao manangom-bato ».

TOLIARA
9 no efa voasambotra tamin’ireo voafonja niisa 37, nitsoaka ny fonjaben’i Toliara ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy lasa teo.

IVATO
Mitaky ny hamindran-toerana ny Pylône naorina ao an-tampon-tanànan'Ivato, hampiasain'ny orinasa Telma, ny mponina ao an-toerana noho ny ahiahy ara-pahasalamana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT