Nalaza tamin’iny herinandro lasa iny ny aferana vy tao Marovoay izay nisy nanodinkodina.
Nifampianga ho tomponantoka tamin’io raharaha io ny Sefo Distrika ao an-toerana sy ny lehiben’ny Faritra Boeny. Rehefa natonina ny ministeran’ny atitany dia nilaza fa efa misy ny fanadihadiana momba io raharaha io. Nambaran’ny tomponandraikitra iray ao amin’ity ministera ity koa anefa fa maro ireo fitarainana voaray avy amin’ny mpandraharaha sy ny tomponandraiki-panjakana isan-tokony noho ny fanodinkodinam-bola, ny halatra ary hosoka ataon’ireo lehiben’ny Faritra. Saika ny Faritra rehetra mihitsy no ahitana ireo, hoy ity tomponandraikitra ambony ity. Lasibatra matetika ny mpandraharaha. Alain’ny Faritra ny tamberim-bidy kanefa rosia tsy ara-dalàna no omena ilay mpandraharaha, izany hoe tsy miditra any amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay izy fa arotsaka ao amin’ny sampandraharaha ara-bolan’ny Faritra.
Mifanohitra tanteraka amin’ny fitsipiky ny “comptabilité publique” izany fomba fiasa izany. Raha ny lalàna mantsy dia ny rosia avoakan’ny “imprimerie nationale” ihany no manamarina ny fandraisam-bola ho an’ny fanjakana fa ny ankoatra izay dia tsy manan-kery. Vola an-tapitrisany isa-kerinandro no azon’ny lehiben’ny Faritra amin’ity halatra bevava ity, hoy hatrany ny fanazavan’io tompon’andraikitra eo anivon’ny ministeran’ny atitany io. Manodidina ny 2 ka hatramin’ny 3 tapitrisa isan-kerinandro ny vola alaina amin’ny mpandraharaha manao vato amin’ny Faritra iray misy io tranga io ary hita mazava amin’ny rosia nomena azy izay nalefany any amin’ny Ministeran’ny atitany hatao porofo amin’ny fitarainana nataony.
Niezaka nanohitra ny antsojay ataon’ilay lehiben’ny Faritra aminy moa ilay orinasa vahiny saingy fandrahonana an-taratasy no setriny. Iniana tsy avoaka eto ny Faritra misy ity tranga ity mba tsy hanimbana ny fanadihadiana ataon’ny “Inspection générale de l’état (IGE)” satria efa nampitaina any amin’ity sampandraharaha ity ireo fitarainana maro voarain’ny Ministeran’ny atitany. Sehatra iray hafa ahitana halatra maro koa ny kiantranoantrano amin’ny Tolobaro-panjakana (marchés publics) amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa toy ny lalana, sekoly, tsena izay tena mahazo vahana koa eny anivon’ny Faritra sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-paritra raha ny filazan’ity tomponandraikitra ao amin’ny Ministeran’ny atitany ity ihany. Marihina fa afaka mitory eny amin’ny “Inspection générale de l’état» avokoa ny olom-pirenena rehetra raha mahatsikaritra fandikan-dalàna.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.