Hajo Andrianainarivelo

> Tratry ny antsojain’ny Ministeran’ny Atitany


  • Zoma 04 Oktobra 2013


Iharan’ny hetraketraka isan-karazany koa ny kandidan’ny Malagasy Miara-Miainga na MMM. Nandefa taratasy any amin’ny CENI-T mangataka amin’ity farany ny tsy fahafahan’ity fikambanana manohana an’i Hajo Andrianainarivelo ity mampiasa io anarana MMM io intsony ny Ministeran’ny Atitany satria misy fikambanana hafa nambara fa tompon’ilay anarana dia izany Malagasy Mivondrona Mitolona izany. Tetika hanakanana ny antoko miara-dia amin’i Hajo tsy afaka handray anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka izao, araka ny fanambarana navoakan’ny Malagasy Miara-Miainga .“Araka ny lalàna mifehy ny antoko politika 2011-012 nivoaka ny 09 septambra 2013 dia tokony ho namoaka didy manaiky na mandà ny fangatahana anarana ny Minisiteran’ny atitany. Aty amin’ny volana oktobra isika, tsy mbola naharay, na nampandrenesina momba ny fanekena na tsia io fahazoana anarana io ny VPM MMM, raha efa tafapetraka hatramin’ny volana mey anefa ny fangatahana io”, hoy ny ampahany amin’ilay fanambarana. Any amin’ny CENI-T izany ny baolina ka andrasana izay ho tohiny. Tsy sambany akory izao endrika sakantsakana izao raha ny nambaran’ireo mpiara-miasa amin’i Hajo Andrianainarivelo ihany ireo satria efa raràna tsy mampiasa helikoptera koa ity kandida laharana faha-6 ity.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT