Hajo Andrianainarivelo

> Manararaotra mitokana fotodrafitrasa hatrany


  • Alakamisy 22 Aogositra 2013

Misokajy 3 ireo kandida filoham-pirenena. Ny vondrona voalohany dia ireo izay mbola miady mafy mba hotazonina ny anarany na hiditra ny mpisolo toerana azy.

Ao anatin’izany ny ankolafy Ravalomanana izay mbola nanendry an’i Neny hisolotena ny tenany ihany. Ao koa i Ny Rado Rafalimanana. Ny vondrona faharoa indray dia ireo kandida lazaina fa «nirobaroba tsy nitsinjo ny vodiandro ho merika ka efa madiva ho lany vola». Nihazakazaka nanao fampahafantarana ny tenany nialoha ny fotoana izy ireo nitety an’i Madagasikara ary azo heverina ho tsy nanam-po ilay fihemoran’ny datim-pifidianana voalahatra tamin’ny 24 jolay teo. Diso paika indray mandeha ka lasa mailo fatratra izy ireo ary hita ho misafidy ny hipetrapetraka aloha. Ao anatin’ity sokajy ity ry Saraha Georget, Ratsiraka Roland, Camille Vital, Rabetsaroana Sylvain. Ao amin’ny sokajy fahatelo indray no misy ireo manararao-pahefana mitokana fotodrafitrasa etsy sy eroa na koa manomboka tetikasa vaovao. Lohalaharana amin’ity farany ny praiminisitra lefitra Hajo Andrianainarivelo izay nitokana ny Lapan’ny tanànan’ny Kaominina Ambonivohitr’i Farafangana sy ny kianja filalaovam-baolina ao Vangaindrano omaly. Mahatratra 240 tapitrisa Ariary ny lany tamin’ny fananganana ireo fotodrafitrasa ireo izay famatsiam-bolan’ny ministera tantaniny.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT